Sambany no vehivavy ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra.
Lalao Ravalomanana no voalohany nisantatra izany fitantanana ny renivohitr’i Madagasikara izany. Sahy izy hanarina ny fahapotehana teto taorian’ny fanonganam-panjakana sy hisedra ireo fingampingana ara-politika samihafa, taorian’ny efa nanilihana azy tsy ho kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013. Nanana vinam-piarahamonina mazava i Lalao Ravalomanana nandreseny lahatra ny mpifidy nandritra ny fampielezan-kevitra, ka nahazoany salanisam-bato 56% tamin’ny 31 jolay 2015, niohatra tamin’ireo kandida valo nifaninana taminy. Lalao Ravalomanana no Ben’ny tanàna voalohany voafidy taorian’ny tetezamita lavareny, izy no hanarina ny fahapotehana teto vokatry ny fanongam-panjakana. “Ampy izay ny resabe sy fampanantenana paokaty fa asa no tsy maintsy irosoana satria efa tena potika tanteraka ny renivohitr’i Madagasikara”, hoy izy raha nandray ny fitantanana ny tanàna. Noporofoiny izany tao anatin’ny folo volana nandraisany ny fitantanana ny tanàna. “Asa mila vokatra !”. Izay ny azy, dia ny mponin’Antananarivo sy ireo vahiny mandalo na manan-draharaha ato eto an-drenivohitra no mahatsapa ny vokatra sy ny fiovana. Eo ny fampanajana ny fananganan-tsaina isaky ny alatsinainy maraina, izay tokony hataon’ny Olompirenena Malagasy isanisany. Eo ny fahadiovan’ny tanàna, izay misongadina raha fako niavosa no nolovainy. Ny fandaminana ny fifamoivoizana sy fanesorana ny mpivarotra amoron-dalana sy ireo fiara mipetra-potsiny eny amoron-dalana mibahan-dalana ireny. Eo koa ny fametrahana fefy ny sisin-dalana hizoran’ny mpandeha. Asa mitohy io, saingy efa azo refesina amin’ny fanehoan-kevitry ny olona amin’ny tambajotran-tserasera fa azo tsapain-tanana ny fivoarana. Ny lafiny sosialy, raha ny amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao dia am-periny amin’ny famendrahana fanafody amin’ireo EPP rehetra eto an-drenivohitra ny fiadidiana ny tanàna, mba ho toeram-pianarana lavitry ny otrikaretina no hovantanin’ny mpianatra sy mpanabe ary mpandraharaha amin’ny oktobra 2016. Nialoha io ny didim-poitra faobe natao nanerana ny Boriborintany enina, nanalana fahasahiranana ny ray aman-dreny ka boaikely roarivo lahy no nokendrena tao anatin’izany. Mitohy ny fanadiovana tatatra, fanatsarana ireo tetezana sy lalankely ifamezivezen’ny mponina eny anivon’ny fokontany eny.
Dingana lehibe vaovao
Ny mpiasa no harena, misy hatrany ny fankasitrahana sy fampirisihina azy ireny ataony. Ara-bola, hatreto tsy nahazo tohana ara-bola (Subvention) na vary iray venty avy amin’ny Fanjakana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanamafy izany ny lefitra faharoa ny Ben’ny tanàna Andriamorasata Julien, raha nivahiny tamina fahilavitra tsy miankina eto an-drenivohitra ny alahady 18 septambra 2016 teo. Nambarany fa 17% monja ny tahan’ny fampidiran-ketra teo anivon’ny kaominina tamin’ny nandraisan-dRtoa Lalao Ravalomanana ny fitantanana, tafakatra 40% izany tao anatin’ny folo volana nitondrany noho ny fahaiza-mitarika ananany. Mitohy ny fanofanana momba ny fahaizamitarika sy fahaizamitantana ireo tompon’andrakitra eny anivon’ny fokontany hahazoana vokatra. Efa vavolombelon’ny fanovana goavana nentin’i Marc Ravalomanana, fony ity farany Ben’ny tanàna teto (1999-2001) ny mponin’Antananarivo ary mino fa mbola hahavita bebe kokoa noho izany Rtoa Lalao Ravalomanana. Raha nahavita nanova sy nametraka fotodrafitrasa lovain-taranaka teto Antananarivo i Marc Ravalomanana toy ny lalana 67ha-Ampasika, Ambodivona, Amparibe, dingana lehibe vaovao indray ny an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ary hita fa te hisongona ny vitan’i Dada izay mandritra ny fe-potoam-piasany, hanaporofoany fa mahavita azy ny vehivavy rehefa omena fitokisana. Maro rahateo ireo mpiara-miombon’antoka efa naneho ny fahavononany hanome tanana azy amin’ny fanatanterahana ny vinany ho an’Antananarivo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.