Actualités

Lalao Ravalomanana “Ao anatin’ny 100 andro misy asa goavana vita”


  • Talata 15 Janoary 2019

Tonga niarahaba ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019.

 

 

   Anisan’izany ireo lehiben’ny boriborintany miisa enina izay samy nanamafy ny fahavononany hampandroso ny tanàna mihoatra lavitra noho ny tamin’ny taon-dasa. Nambaran’ny Ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana tamin’izany fa vonona ihany koa ny tenany hanao izay faraheriny  mandrapahatapitry ny fotoam-piasany amin’ity taona 2019 ity. Asehontsika  amin’ny vahoaka, hoy izy  fa miasa ho azy ireo hatrany ny  kaominina,  antony nilazany  fa tsy maintsy misy vokatra azo tsapain-tanana eny anivon’ny  sampandraharaha tsirairay avy ato anatin’ny 100 andro.  Ao anatin’ny firaisankina tanteraka no hanatanterahan’ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany ka anisan’ireny ny asa fanadiovan-tanàna hisorohana ny valan’aretina mety hiparitaka amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT