Nijery manokana ireo tra-boina eto Antananarivo ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana omaly, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy eto an-drenivohitra.
Tsy vitan’ny nankahery fotsiny ireo tra-boina ny tenany fa nitondra fanampiana, ka isan’ny nisitraka izany ny teny Anosibe, Ampefiloha, 67 Ha ary Ankorondrano. Nijery manokana ny kaominina hoe inona no ilain’ny vahoaka amin’izao fotoan-tsarotra izao, ka karazany maro ny fanampiana nentina izay nahitana vary, fitafy, bodofotsy, Tsihy.... Isaorana an’Andriamanitra fa tsy nisy ny aina nafoy hoy, hoy ity tompon’andraikitra ity nandritra ny valan-dresaka fohy nataony. Nasiana fandaminana manokana kosa ny fizarana ireo fanampiana ireo satria misy ny manararaotra izany. Misy mantsy ny tonga maka ireny fanampiana ireny fotsiny saingy tsy hita izay alehany avy eo. Somary mikorontana ihany koa ireny toerana hitobian’ireny amin’izao ka nanentana ny rehetra mba hahay hifandamina ny ben’ny tanàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.