Olona miisa 230.000 hatreto no efa nahazo loka tamin’ilay lalao kapslinakà nokarakarain’ny zava-pisotro Fresh sy ny orinasa Telma tao anatin’ny roa volana.
Notanterahina omaly indray ny fanolorana ny loka ho an’ireo izay tsara vintana tamin’ity volana desambra ity ka nisy ireo nahazo antso an-tariby maimaimpoana avy amin’ny Telma. Nisy ireo nahazo sms marobe fatao ihany koa ireo nahazo loka goavana toy ny fiara renault kwid izay miisa roa no nozaraina, ny môtô scooter Peugeot kisbee, ny fahitalavitra écran plat miloko, ny solosaina, ny smartphones. Miisa 28 teo ho eo ireo nahazo omaly; loka mitotaly hatrany amin’ny 800 tapitrisa Ar. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mpilalao ny fanomezana ho azy, izay marihina fa tena tsy nanam-po akory ny ankamaroany fa nilalao nampifaly ny fianakaviana fotsiny ihany. Tsiahivina fa ny fampidirana ilay kaody #481# anaty finday no hahafahana mandray anjara amin’ny lalao, arahin’ireo tarehimarika ao ambadiky ny kapisily miloko mavo an’ny zava-pisotro fresh.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.