Resaka tsy mety vita ny momba ilay lalŕna mifehy ny fifandraisana, nanamafy ny fanambarana iombonan’ny mpanao gazety ireo tonia sy talen’ny fanoratana ny amin’ny tsy tokony hahamaika ny filoham-pirenena hanasonia ka hampanan-kery ity lalam-pamoretana ity.
Mbola vonona amin’ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra ny mpanao gazety mba hamoahana fehezan-dalàna mifanaraka tsara amin’ny zava-misy sady miantoka ny fahalalahana no arofanina amin’ny mety ho fihoaram-pefy ihany koa anefa. Omaly indray dia namoaka fanambarana ny masoivoho Amerikanina eto Madagasikara ka nilaza fa manohana ny fanombohana fifanakalozan-kevitra madio sy malalaka eo amin’ireo mpisehatra voakasik’io lalàna io. Nambaran’ity fanambaran’ny masoivoho Amerikanina ity fa « ny asa fanaovan-gazety malalaka sy mavitrika dia singa fototra amin’ny demokrasia matanjaka iray. Eo anatrehan’ny fanambarana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, milaza fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny Fehezan-dalàna mifehy ny Serasera, saingy nanamarika fa misy andalana vitsivitsy ilana fanampim-panazavana mifanaraka amin’ireo fenitra anaty lalàmpanorenana sy fenitra iraisam-pirenena ». Izay indrindra no antony mahatsara ny famerenana ny fifampidinihana. Tsy filam-baniny avy amin’ny mpanao gazety sanatria fa lalàna iray hanaratsy endrika an’i Madagasikara ity lalànan’ny fifandraisana amin’ny endriny ankehitriny ity ka tsy ny mpisehatra amin’ny serasera ihany fa na ny fitondram-panjakana koa aza dia ho sahirana amin’io rehefa tena ampiharina io.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.