Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny café de la gare Analakely omaly ny voka-pikarohana iray mikasika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika,
izay nifarimbonan’ilay mpahay lalàna Lovamalala Randriantavy sy Iloniaina izay mpanao gazety ihany. Araka ny fanazavana azo dia navoitra tao anatin’ity boky ity ireo fanatsarana be dia be tokony hatao eo amin’izay asa fanaovan-gazetintsika izay na eo amin’ny kalitao na eo amin’ny zavatra avoaka. Ny fifandraisana misy eo amin’ny politika sy ny haino aman-jery eto amintsika moa no tena nodinihana ka nahitana fa na eo aza ny adihevitra politika eny amin’ny fiarahamonina izay azo heverina ho lafiny tsara amin’izay fifandraisana misy izay dia lafiny ratsy kosa, hoy ireto mpikaroka ireto, ny fahitana ny asa fanaovan-gazety lasa feno ambadika politika. Vahaolana ny fikitihana indray ny lalàna mikasika fanaovan-gazety eto amintsika satria be dia be ny zavatra tokony hokitihina ao. Tsy ampy ny fangaraharahana amin’ny fanomezam-baovao ka tokony hodinihina manokana izay lalàna izay sy ny fifaninanana, indrindra ny mpamaky.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.