Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.
Nanaiky izany tanteraka ny avy eo anivon’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo, raha ny fanazavana. Antony dia satria maharesy lahatra. Ankoatra ny maha filoham-pirenena teo aloha an’Itompokolahy dia rain’ny demokrasia koa izy ary nikatsaka mandrakariva ny fampihavanam-pirenena. Mba ho isaky ny mandalo eo amin’ity lalana mirefy 700m ity, araka izany, ny rehetra dia ny mba ho ny filàna fihavanana toy izay nitranga farany taorian’ny fahombiazan’ny Barea teo no tonga ao an-tsainy, hoy ny fanazavana, satria efa nosoritan’ity filoha teo aloha ity ny lalana ahatongavana any amin’ny tena demokrasia sy fampihavanana marina. Ao anatin’ny bokin’ny CRN ny taona 2003, hoy ny filankevitra, dia ahitana izany. Amin’ny heriny anio, 24 jolay, no hotokanana ny lalana. Ankoatr’izay moa dia nampahafantarina ihany koa fa ny 13 oktobra izao no hotokanana etsy Antaninarenina ny tsangambato fahatsiarovana ity filoha teo aloha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.