Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy.
Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny fifanarahana ary ny arofenitra iraisam-pirenena ity lalàna ity raha ny nambaran’ny HCC. Efa nisy rahateo ilay hetsika 16 andro niadiana amin’ny herisetra mifototra amin’izy io izay ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany isika teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanentanana isan-tokony ary notarihan’ny minisiteran’ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy ka nandany sy nankato izay ny HCC. Raha tsiahivina, ity lalàna VBG ity dia niteraka resa-be hatrany teto amin’ny firenena. Samy naneho ny heviny avokoa ireo rehetra hatramin’ny mpitarika fivavahana. Ny 13 desambra lasa teo moa no nandaniana azy teo amin’ny Antenimiera roa tonta. Na dia nilaza hatrany ny fitondram-panjakana fa tsy misy idiran’ny fanambadiana olona mitovy fananahana ity lalàna ity dia mbola maro no miahiahy fa dingana mankany amin’izany ny lalàna VBG.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.