Fanamby goavana ho an’ny lehiben’ny faritra Analanjrifo, Atoa Ramaroson Jacques sy ny ekipany ny fanokafana ny lalantany mampitohy ny faritra amin’ny faritra Alaotra, izany hoe ny distrikan’i Vavatenina sy ny distrikan’Ambatondrazaka, mandalo ny tandavan’alan’Ankehiheny – Zahamena.
Talohan’ny taona 1980 dia fampiasan’ny vahoakan’ny faritra roa tonta hifandraisana ho an’ireo mpivarotra sy ireo tantsaha izany lalana izany, izay Mandalo ao Andasiben’i Vavatenina, Anjahabe, Sahatavy ary mivoaka any Alaotra. Hahazo tombony amin’ity fanokafana lalana ity ny tantsaha sy ny mpivaro-mandeha. An-kilan’izay, teti-pampandrosoana fanombohan’ny fametrahana ny “fibre optique” natomboka tao Amorondrano ny alatsinainy teo, izay handalo ao Ambonivato, Mahanoron’i Vavatenina, Ampasimazava, Maromitety, Vavatenina, Andasibe, Anjahabe, Sahatavy ary mivoaka any Alaotra. Ny fandrakofana ireo kaominina ao anatin’ireo kaominina ireo hanamora ny fifandrasaina, izay hiantoka ny fandriaampahalemana sy ny fampandrosoana ao aminy no tiana hapetraka amin’izao. Ezahina hovitaina mialoha ny faran’ny taona avokoa ireo fandaharan’asa ireo. Ny voalohany vola madiodion’ny faritra sy ireo mpiara-miombona antoka aminy any ivelany. Ny faharoa kosa dia fiaraha-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana “Telma” sy ny “Sagem.com”
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.