Actualités

Lalŕna vaovaon’ny fiahiana ara-tsosialy Andrasana ny fampiharana azy


  • Talata 02 Mey 2017

Nomarihina omaly alatsinainy 1 mey ny fetin’ny asa, anisany ny teto Madagasikara.

Tsy afa-misaraka amin’ny zon’ny mpiasa izy ity toy ny fiahiana ara-tsosialy, izay mbola hamaivanin’ny mpampiasa maro ankehitriny. Miandry ny didim-pitondrana avy amin’ny filankevitra nasionaly momba ny asa ny fametrahana ny lalàna momba ny fiahiana ara-tsosialy (Code de prevoyance sociale) vaovao raha ny fanazavan’ny minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu. Miandry ny fampiharana azy ny Sendikan’ny mpiasa mivondrona ao anatin’ny FISEMARE, izay nanamafy fa efa 2 taona lasa ny minisitra no nampanantena ny hijerena akaiky azy io saingy tsy tanteraka mandrak’ankehitriny. Raha ny fanamarihan’ny FISEMARE ihany dia 14% ny petra-bola tokony haloan’ny mpampiasa amin’ny resaka fiahiana ara-tsosialy ka 2% no an’ny mpiasa. Andrasana ny ho tohin’ny fampiharana azy. Mbola miteraka ady hevitra lehibe ny resaka fiahiana ara-tsosialy eto amintsika satria maro ireo orinasa eto amin’ny firenena no mbola minia mikipy sy tsy te hahalala. Etsy an-daniny, mbola matahotra ny ankamaroan’ny mpiasa, ka na efa misy aza lalàna velona dia tsy sahy mihetsika, ka zara ary misy ny sendika manaitra sy manery ny mpitondra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT