In’enina nihemotra ny fotoana tokony handoavan’ny fanjakana ny vola omena ireo mponina rava fananana eny Tsarasaotra mihazo an’Ivato nanamboarana ilay lalam-baovao handraisana ny frankofonia.
Tezitra ny mponina ka nidina an-dalambe nilanja sorabaventy nampaneno lakolosy ny alatsinainy teo, lakolosy voalohany hanairana ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony handoavana maika ny volan’izy ireo. Raha ny fanazavana azo dia efa tamin’ny volana martsa no vita ny antontan-taratasin’izy ireo mikasika ny fananany potika nangatahin’ny fanjakana. Ny volana jona no nampanantenain’ireto farany fa hanomezana ny tambin’ny tanimbariny nototorana na tranony rava na koa ny voliny potika saingy hatramin’izao tsy mbola voaray izany. Nihemotra ny volana jolay ny fandoavana ny vola, hoy hatrany ny mponina. Nitohy ny 31 aogositra izany izay mbola nihemotra ny 15 septambra indray, nitohy ny 25 septambra ary afak’omaly alatsinainy 31 oktobra no daty farany nomena azy ireo. Mahatsiaro tena voatositosika ireo mponina noho izany koa mangataka ny amin’ny hanomezan’ny fanjakana daty araka ny tokony ho izy handoavana ny volany, hialana amin’ny hadisoam-panantenana. Tsiahivina fa efa nisy ampahany tamin’ireo mponina eny Soavimasoandro no nahazo ny volany, fizarana izay mbola nitohy tamin’ity herinandro ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.