Actualités

Lalana Tena mitondra fampandrosoana


  • Alakamisy 27 Novambra 2014

Mirefy 8.982 km ny lalana voamboatra sy voakarakara tamin’ny taona 2005. Efa hita taratra ny fandrosoana teo amin’ny lalamby sy seranantsambo ary seranam-piaramanidina. Nitombo hatrany amin’ny 20% ny fifanakalozana ara-barotra manerana an’i Madagasikara raha

voakarakara araka ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa, taorian’ny fandinihana nataon’ny ekipan’ny filoham-pirenena teo aloha voarakitra ao anatin’ny Madagasikara Am-Perinasa nivoaka tamin’ny taona 2007. Ampahan-dalana vitsivitsy sisa no ratsy amin’ny taona 2015 raha ny vinavinan’ny rafitry ny lalam-pirenena tao anatin’ny fitantanana fe-potoana faharoa nitondran’ny filoha Ravalomanana Marc saingy niaraha-nahita ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Potika sy simba avokoa ny ampahany betsaka amin’ireo karazan-dalana mampifandray ny faritra amin’izao fotoana izao. Manome vahana ny fomba fiasa vonjimaika na «tip top» izany ankehitriny. Natao ankilabao ny famoronana sy fanamboarana ary fikojakojana lalana nandritra ny krizy 5 taona mahery izay nampitarozaka ny asa fampandrosoana rehetra ihany koa teto amin’ny firenena. Nanenjehana manokana ny fitondrana Ravalomanana rahateo moa ny fanamboarana sy fikarakarana lalana nanomboka tamin’ny taona 2002. Nolazaina mihitsy moa tamin’izany ny hoe «ny lalana angaha azo hohanina». Ny zava-misy aloha dia ankalazain’ny fanjakana eny Ivato mandritra ny telo andro ny kongresin’ny lalana sy ny fitaterana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT