“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,
mpisolovava, manoloana ny hafatra manala baraka sy manaratsy olona hita any anaty tambajotra sosialy. Ao anatin’ny asa sahanin’ity vondrom-pikambanana ity rahateo ny fampahalalana ny lalàna sy ny zo fototra tokony ho fantatry ny daholobe. Fototra iaingan’ny fampandrosoana ny fahafantarana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy izy. Nandritra ny volana mey nanamarihana ny fetin’ny asa izao dia ny momba ny lalàn’ny asa no nampahafantarin’ny Cartel Madagascar. Amin’ity fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena ity dia ny zo sy lalàna mifandraika amin’ny fahaleovantenan’ny tsirairay no iompanan’izy ireo, izay mila fehezina mba tsy hihoa-pefy. Mitohy isaky ny sabotsy ny fandraisana an’ireo olona mila torohevitra momba ny lalàna, eny amin’ny foibeny eny Analakely. Hisy ihany koa ny fidinana hataony any amin’ny faritra ka hanombohana azy ny any Ambatondrazaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.