Actualités

Lalana Soavimasoandro - Ivato Trano 20 tsy maintsy ho ravana


  • Zoma 08 Aprily 2016

Vita ny talata sy alarobia teo ny fanaovana tombana ireo trano mety horavana eny amin’ny Kaominina Ivato noho ny fanamboaran-dalana miainga eo Soavimasoandro mipaka eny Ivato.

 

Fantatra tao anatin’izany fa trano manodidina ny 20 eo no horavana noho io tetikasa io, saika ao amin’ny Fokontany K2 avokoa izy ireo. Nomena iray volana ireo mponina amin’ireo trano ireo hialana, dila izay dia roso ny fandravana hataon’ny minisiteram-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fampitaovana ary ny fanajariana ny tany. Ranomaso ny an’ireo mponina voakasik’io fandravana trano io, nisy mihitsy aza no torana noho ny alahelony ny fananany. Tsy mbola tena mazava rahateo ny fanonerana ny fananan’ireo ho rava trano sy tany halain’ny fanjakana hanamboarana io lalana mirefy eo amin’ny 12km io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT