Actualités

Lalana simba Avarabohitra Itaosy Manao be marenina ny minisitera


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Tena manao be marenina amin’ny asa fanamboaran-dalana eny Avarabohitra Itaosy, kaominina Itaosy ny minisiteran’ny asa vaventy.

 

Hatreto mantsy dia tsy mbola misy  mihitsy ny fanamboarana ity lalana ity na dia efa in-telo nanao fangatahana ny amin’ny tokony hanamboarana azy aza ny teo anivon’ny kaominina. Fiara telo isan’andro anefa raha kely no mihitsoka ao amin’io lalana io noho ny fisian’ny lavaka be izay  hiangonan’ny ranon’orana sy ny rano maloto  izay marihina fa efa tafiditra hatrany anaty taksibe mihitsy. Narahina fangatahana fihaonana mivantana faninefany izany, hoy Ranaivosoa Lalaina, lefitry ny Ben’ny tanànan’Itaosy saingy nijanona teo.  Ny amin’ny main-tany hatrany no valin-teny azon’izy ireo. Tsy zakan’ny tetibolan’ny kaominina anefa, hoy izy ny asa fanamboarana  ity lalana ity amin’ny maha Route d’interet provincial azy satria na ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa aza efa manahirana. Ny vahoaka anefa tsy te-hahalala fa ny kaominina hatrany no mahazo tsiny. Ankoatra izay, manomboka potika ihany koa ny ankamaroan’ireo lalana any anaty tanàna noho ny fitadiavan’ireo mpampiasa lalana lalana hafa mety amin’ny fiarany. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny asa vaventy, araka izany, izy ireo mba hijery akaiky mikasika izany. Marihina moa fa tafiditra ao anatin’ny fangatahin’izy ireo ihany koa ny hanamboarana ny lalana mihazo ny hopitaly izay simba tanteraka ihany koa amin’izao fotoana izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT