Vita soa aman-tsara ary noraisina vonjimaika omaly rehefa naharitra 75 andro, ny asa fanamboarana ilay lalankely natao “beton” mampitohy an’i Namontana sy fasan’ny karana, izay hifamezivezen’olona manodidina ny 3.000 isa isan’andro
. Fanomezana avy amin’ny vokatry ny fanampiana nomen’ny ONU Habitat nomeny ny fokontany Angarangarana Anosibe no angady nananana izany, fiaraha-miasa efa nisy an-taonany maro. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina izany, notarihin’ny sefom-pokontany Ali Petera. Nanambara izy ireo fa tena afa-pahasahiranana tanteraka, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, izay mahatondraka ny rano eny an-toerana. Nisaotra manokana ny mpamatsy vola tamin’izany ireo zokiolona sy ray aman-dreny manan-janaka madinika, satria afaka amin’ny fandehanana lakana sy ny firoboham-potaka tanteraka izy ireo. Olo-manankaja maro no tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana, notarihin’ny lehiben’ny Boriborintany fahefatra Randriatsisetraina David.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.