Nifarana omaly rehefa naharitra roa andro ilay atrikasa nentina nandrafetana ny fandaharan’asam-pirenena momba ny fananantany notanterahin’ny Sehatra iombonanana ho an’ny fananan-tany tetsy amin’ny DLC Anosy.
Antony raha araka ny fanazavan-dRandrianomenjanahary Haingoarison, tompon’andraikitra ao amin’ny SIF dia ny tsy hiverenan’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny taona 2015 ankoatra ny fametrahana ny maha izy azy ny birao ifotony momba ny fananan-tany (BIF) isaky ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Amin’ny ankapobeny mantsy dia mbola maro amin’ny malagasy no tsy mahafantatra ny lalàna momba ny fananantany na dia i Madagasikara aza no zanatany Frantsay voalohany nikitika io lalàna momba ny fananan-tany io tamin’ny fotoan’androny. Tsy mbola ampy ihany koa ny “guichet foncier”, hoy hatrany izy raha mitavozavoza ihany koa ireo efa miasa sy mandeha. Farany izay tsy kely akory dia notsindriany fa ny fanaovana ny risoriso eny amin’ny fitsarana sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany no anisan’ny olana goavana tokony hanaovana fanentanana ihany koa. Andrasana amin’izao atrikasa izao moa ny hisian’ny fehin-kevitra hivoaka entina handrafetana ity fandaharan’asam-pirenena momba ny fananantany mba ho tombontsoan’ny malagasy rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.