Actualités

Lalàna momba ny ady amin`ny famotsiam-bola Tsy maintsy lanian`ny parlemantera…


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Omaly no no nandanian’ireo solombavambahoaka tonga nivory teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fandaharam-potoana iasany amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao.

 

 

 

 Anio, dia hisy ny asam-baomiera handinihana ny volavolan-dalàna  n°015/2017 tamin`ny 13 jona  2017 momba ny fanagiazana ny harena tsy ara-drariny. Ny  alatsinainy 24 desambra ho avy izao kosa ny fandaniana izany amin’ny fivoriana tambaram-be azon`ny daholobe atrehina. Ny alarobia 26 desambra 2018  dia asam-baomiera handinihana ny volavolan-dalàna n°054/2017 tamin`ny 28 desambra 2018 mahakasika ady amin`ny famotsiam-bola sy famatsiana asa fampihorohoroana izay holaniana amin’ny fivoriana tambaram-be azo atrehina ny alakamisy  27 Desambra 2018. Ny zoma 28 desambra 2018 amin’ny telo ora folak’andro ny lanonana famaranana izao fotoam-pivoriana tsy ara-potoana izao. Tonga nanatrika ny ireo solontena avy amin’ny  governementa. Omaly maraina kosa dia  nisy ny lanonana  fizarana fanomezana  ho an’ireo  mpandraharaha eo amin’ny Antenimieram-pirenena noho ny fahatongavan’ny  Krisimasy sy ny  fetin’ny faran’ny taona ka nanolotra fanomezana azy ireo ny ny filoha sy ny birao maharitra ho an’ny mpandraharaha tsirairay avy. Tamin’ny kabary fohy nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, notronon’ireo solombavambahoaka maromaro  no nisaorany ny rehetra  tato amin’ny Antenimieram-pirenena  tamin’ny fanatontosana  an-tsakany  sy an-davany  izao  fe-potoana fanaovan-dalàna izay madiva hifarana izao. Nirary fahombiazana  sy fahasoavana ho an’ny tsirairay avy izy  ary  nirary Krismasy sambatra sy  taom-baovao mamiratra ho an’ny Malagasy rehetra.

 

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT