Actualités

Lalàna mikasika ny fananana azo tsy ara-dalàna Hihatra tokoa ve sa an-taratasy fotsiny ?


  • Talata 02 Jolay 2019

Misaotra an’Andriamanitra aho, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, fa ela no niadiako mikasika ny mba hisian’izany lalàna momba ny fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izany ary tanteraka ihany izy ity.

 

 

Vola tokony hiditra amin’ny fanjakana ireny vola very sy angalarina rehetra ireny. Trano, fiara, fitaovana sarobidy maro ireny ka raha giazana sy amidy dia volabe ho an’ny fanjakana. Fanakanana sahady ireo izay te hanao ratsy rehetra aty aoriana ny fisian’io lalàna io. Misy ireo manahy hoe ho ohatry ny resaka HCJ sy fitsarana manokana momba ny hazo sarobidy indray ve? Ny iriana, hoy hatrany izy, dia tsy ho fafy lainga no atao fa apetraka hoe tsy hisy fanavahana an’iza na iza ny fitsarana ao anatiny ao fa tena hiasa araka ny tokony ho izy tokoa. Saropady io lalàna io ary iriako ho azo ampiharina na dia amin’ny heloka vita tany aloha aza (effet retroactif). Tsy tokony hisy intsony ny ambonin’ny lalàna na mpitondra na tsia, eny, hatramin’ny vahiny, hoy hatrany izy. Ho an’ny mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson, kosa moa dia mirary izy ny mba tsy hisy mizana tsindrian’ila ao anatin’izany. Mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny HCC sy ny filoham-pirenena moa ny fahafahana mampihatra ity lalàna ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT