Actualités

Lalana mihazo an’i Mahajanga Tapaka nanomboka omaly


  • Alarobia 03 Febroary 2016

Tapaka tanteraka ny lalana mihazo an’i Mahajanga amin’izao fotoana izao raha araka ny fantatra.

 

 Nanomboka ny  alin’ny alatsinainy  nifoha  omaly talata no nitrangan’izany, vokatry ny ora-nikija  tany avaratra sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. 40 km miala ny distrikan’i Maevatanana no hisian’izany eo amin’ny PK 615,400 any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanàna. Nihotsaka  tanteraka ny lalana izay lasa misy lavaka be  mihitsy  ka na ireo fiara madinika aza  mila tsy ho zakany. Voatery niverin-dalana noho izany ny ankamaroan’ireo fiara vaventy raha nijanona kosa ny sasany, miandry izay hahavitan’ny asa fanamboarana. Izay eo ihany fa ny tena olana dia miaina anaty haizina tanteraka ny distrikan’i Maevatanana. Tsy afa-miditra any an-toerana mantsy ireo fiara vaventy mpitatitra solika. Manomboka misy olana ihany koa ny famatsiana ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Hatramin’ny omaly moa dia tsy fantatra izay fanapahan-kevitra horaisin’ny tompon’andraikitra misahana izany na dia efa betsaka aza ireo mahatsiaro ho sahirana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT