Voaresaka teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha teo amin’ny fihaonan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny solontenan’ny mpanao gazety notarihan’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) Gérard Rakotonirina omaly hariva ilay fehezan-dalŕna mifehy ny fifandraisana.
Efa an-dalana ny fombafomba hampanan-kery io fehezan-dalàna io raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika. Ho valin'ny fangatahana natao ny amin'ny mba tsy hampanan-kery io fehezan-dalàna io dia nilaza izy fa tsy afaka hamerina iny fehezan-dalàna iny hodinihina indray eny anivon'ny parlemanta mba hisorohana izay mety ho fifandirana eo amin'ny samy andrim-panjakana. Nomarihiny fa azony atao tsara ny mampiasa io fanapahan-kevitra tsy azo ivalozana izay nomen'ny lalàmpanorenana azy io saingy nilaza izy fa efa hevitra tapaka ny azy. Nanambara moa ny filoham-pirenena fa hanokatra sehatra ifampiresahana handinihana izay mety fomba hampiharana io lalàna io araka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, sy handraisana izay soso-kevitry ny mpanao gazety hitondrana fanitsiana. Tsy nisy hatreto tetiandro mazava hanatanterahana izay hevitra izay.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.