Nankatoavin'ny governemanta ireo antontan-kevitr'ireo fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera taorian'ireo fakan-kevitra avy amin'ireo mpisehatra samihafa tamina haino aman-jery manerana ny faritra nataon'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina.
Raha tsiahivina, nohamafisina tamin'ny fanitsiana nampiharina ao anatin'io volavolan-dalàna io ny tsy fahafahana mampiditra mpanao gazety am-ponja amin'ny vaovao havoakany ka sazy ara-bola no setrin' izany. Noesorina eo ambany fifehezan'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nomena fahefana feno amin'ny fanomezana fahazoan-dalana ho an'ireo haino aman-jery hisokatra sy hahenika an'i Madagasikara ny sampandraharaha nasionaly mpandrindra ny fifandraisana (ANRCM). Nahitsy ho 13 ny isan`ireo mpikambana ao anatin`ity sampandraharaha ity ka 6 amin`io no solontenan`ny fitondram-panjakana. Ny enina kosa solontenan`ny orinasa tsy miankina ary ny iray farany solontenan`ny OJM. Araka izany, hodinihin'ireo solombavambahoaka amin'izay fivoriana manaraka ity volavolan-dalàna mifehy ny serasera ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.