Manomboka ny fakan-kevitra isam-paritra ho an’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera ka natomboka ny talata 18 jona 2019
tany amin’ny faritanin’i Mahajanga ny fihaonana isam-paritra hanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera izay tarihin’ny minisiteran’ny serasera
sy ny kolontsaina. Lalàna iaraha-manefy amin’ireo mpisehatra rehetra ary ihainoana sy andraisana ny fanirian’izy ireo, indrindra ny mahakasika ny fivadihana mankany amin’ny TNT sy ny zava-baovao misy eo anivon’ny serasera, saingy tsy mivoana amin’ilay lalàna efa niaraha-namolavola tamin’ny taona 2015. Miendrika fampivondronam-paritra sy famoriam-bahoaka ity fakan-kevitra ity, izay hitohy any Toamasina, Antsirabe, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara ary eto Antananarivo. Mandray anjara mavitrika ny foibem-paritry ny serasera sy ny foibem-paritry ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) amin’ny fanentanana ireo mpisehatra isan-tsokajiny ny amin’ny maha zava-dehibe ity fakan-kevitra ity sy ny fanangonana ireo hevitra rehetra avy amin’izy ireo. Hisy ny atrikasa atao amin’ny faran’ny volana jolay aorian’izao mba hanambarana ireo hevitra rehetra hahafahana manolotra tolo-dalàna misy ireny soso-kevitra ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.