Notaterina ampahibemaso omaly ny fehin-kevitra teo anivon`ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina ka tapaka fa tsy hanova izay fehin-kevitra rehetra niarahana nanapaka nandritra ny fakan-kevitra
isam-paritra momba ny lalàna mifehy ny serasera ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ankehitriny, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Teboka valo amin`ny ankapobeny no nisain`ny fanovana ny fanitsiana ary nesorina tanteraka mihitsy tao anatin`ilay lalàna mifehy ny serasera. Anisan’izany ny fanamorana ny fahafahan’ny mpanao gazety mahazo an’ireo taratasy azo atao porofo, eny anivon’ireo sehatra ara-panjakana, ny momba ny fitandroana ny fiainana manokan’ny olona, ny momba ny fanomezana alalana hisokatra ho an’ireo haino aman-jery, izay lasa gaboraraka, ny fanasarahana ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) amin’ny Fanjakana mba tena hananan’ny mpanao gazety fahalalahana amin’ny asany… Raha tsiahivina ny taona 2016, vokatry ny fanapenam-bava sy ny teritery tamin`ity asa fanaovan-gazety ity dia niafara tamin`ny tolona ho an`ny fahalalahana nataon`ny Hetsika ho an'ny fahalalahana maneho hevitra (MLE). 1 121 andro omaly no nandanian’ny Antenimiera roa tonta an’ilay fitsipika mifehy ny serasera amin'ny haino aman-jery (Code de la communication Médiatisée). Anisan’ny lohandohan’ny mpisorona tao ny minisitra. Nandritra ny fandraisam-pitenenany moa dia nilokaloka izy fa tsy hanova an’ireo izay niarahana nanapaka ary hanohana ny fampandaniana an’ity lalàn’ny serasera amin'ny haino aman-jery ity. Naverina tao ireo andininy nesorin`ny mpanatanteraka tamin`ny fotoan’androny sy ny Antenimiera roa tonta tamin`izany nefa niadivana tao anatin`ny famolavolana niarahana tamin`ny sehatry ny firenena mikambana. Tanjona, hoy ny minisitra ny haha matihanina ny asa fanaovan-gazety saingy miantoka ny fahalalahan`ny asa izany. Faritra 6 no nanatanterahana an’ity fakan-kevitra ity ka nisy ny fanovana sy fanitsiana an’ilay fitsipika (code) teo aloha, izay navadika ho lalàna. Andrasana izay holazain'ny filankevitry ny minisitra. Iza ihany koa no olona mety hanana olana raha lany tokoa ity lalàna mifehy ny serasera vaovao ity ? Ahoana ny hoavin`ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ? Hifanaraka amin`ny zotran`ny fanoratana ve (ligne éditoriale) ireo haino aman-jery tsirairay ? Andrasana ihany koa ny fanapahana avy amin`ireo antenimiera roa tonta handany an`io lalàna io.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.