Actualités

Lalŕna mifehy ny fianakaviana Manentana ny fiarahamonina ny Pot’enCiel Organizing


  • Alatsinainy 20 Martsa 2017

Nanao fanentanana ho an’ireo fikambanana tsy miankina tao Toamasina ny alakamisy teo ny fikambanana Pot’enCiel Organizing na ny PCO avy any Antananarivo.

Tanjona moa ny hanapariahana amin’ny Malagasy rehetra ny lalàna sasantsasany mifehy ny fianakaviana, indrindra fa amin’ny teny Malagasy. Mba ho fisorohana ny faharavan’ny tokantrano Malagasy raha toa ka mbola misy izay azo atao, sady hisorohana koa ny herisetra ao an-tokantrano. Tsiahivina fa efa asa fanaon’ity fikambanana ity ny fampiofanana maimaimpoana ireo tanora izay vonona hiroso amin’ny fanambadiana ho fisorohana ny herisetra ao an-tokantrano, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina. Efa nahatratra 9 700 isa ireo olona nahavita fiofanana niaraka tamin’izy ireo. Efa vita koa ny boky torolalana voalohany ho fisarahana ny herisetra sy fampahafantarana ny andraikitra miandry ao an-tokantrano, koa boky efa 8 000 isa koa no efa voazara maimaimpoana ary mbola misy 2 000 isa hozaraina amin’ny fotoam-pampiofanana manaraka.

Nangonin’i Jean D.


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT