Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).
Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny fanajariana ny tany sy ny fitaterana eo anivon’ity minisitera ity, Rabe Harimanana, dia ezahana ny hahafaha-mametraka fanatsarana hampivelatra ny tanàna sy hanatsara ny fihariana ara-toekarena amin’ity lalana ity. Raha ora 9 amin’izao fotoana vao ahafahana mifandray amin’iny lalana iny ary mihoatra lavitra izany raha kamiao. Ezahana ny mba hahavitan’izany ho ora 7 ato ho ato, raha ny fanazavana hatrany. Zava-dehibe amin’izay anefa ny fahaiza-mitantan’ny mpitondra ireo drafi-panajariana hivadika ho asa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.