Olona marobe no nidina an-dalambe teny Ivato ny sabotsy teo, mitaky ny tsy handrodanana ny tranony.
Aoka, hoy izy ireo mba haato aloha ny tetikasa fanamboaran-dalana Ivato-Tsarasaotra amin’izao sahotaka ao amin’ny fitondrana mpanatanteraka izao ao, ka horavaravana fotsiny tranony nefa horava ny fitondrana. Nilanja sorabaventy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’izany ary dia tampina mihitsy ny arabe. Trano 20 tafo eo no mety horavana eny Ivato ho fanatanterahana ity tetikasa ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.