Ny alatsinainy alina lasa teo no natomboka ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Anosizato (eo amin’ny tetezana) sy Ampitatafika.
Atomboka amin’ny fanampenana ny lavaka ny lalana. Ireo tena simba be no amboarina ary ny minisiteran’ny asa vaventy no mamatsy madiodio ny vola raha toa ka orinasa vahiny kosa no tompon’ny asa. Tokony ho vita tanteraka amin’ny 28 desambra ny asa fanamboarana hatreo amin’ny tetezan’Ampitatafika, araka ny fanazavana azo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny asa vaventy amin’ny fanamboarana ireo lalam-pirenena moa izy ity ary heverina fa hanala ny fahasahiranan’ireo rehetra mampiasa iny lalana iny. Anisan’ny tena miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana isan’andro mantsy ny faharatsian’io lalana eo Anosizato io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.