« Tsy maintsy esorina ireo trano manelingelina ny fanamboaran-dalana, ny tsy fanaovana izany dia hitarika ny olona tsy hanara-dalŕna ary hanasarotra ny asa fampanarahan-dalaŕna hatao ihany koa. Tany tan-dalŕna isika ka mila hampiharina izany, nefa tsy ny minisitera no hanao izany fa ny kaominina tompon’ny tanŕna…
», izay no nambaran’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka raha nijery ny fanamboarana ny lalana Ambolomadinika mivoaka ny Tanambao V ny tenany sy ny ekipany ny sabotsy tolakandro teo. Misy olana mantsy ny fanitsiana ny lalana noho ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mponina nanangan-trano ao anatin’ny lalana, indrindra ny ao amin’ny tokotany ben’ny « Chan Tine » izay eo afovoan-dalana mivoaka ny Tanambao V mihitsy. Nomarihan’ny minisitra anefa fa tsy hiady amin’ny vahoaka no atao fa ny fifandaminana ihany satria tombontsoan’ny besinimaro no katsahana ary efa ela no nanirian’ny mponina ny hanaovana ity lalana ity ho vita tara. Ny orinasa Colas no manao ny asa, ka ny vola avy amin’ny tahiry amin’ny fikojana ny lalana (FER) no entina hanaovana azy. Miroso tanteraka ny asa ankehitriny ary hokasaina ho vita tsy ho ela saingy miandry ny fandravana ilay trano be mivoaka ao Tanambao V sisa. Ankoatra izay, dia nomarihan’ny minisitra fa hanaovana asa toy izao koa ny ao Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara ; saingy ny ao Toamasina dia anisan’ny hahazo tombontsoa koa ny lalana Tanambao II – Androranga Stella Maris, ny lalana Fidélité, ny tetezana ao Antseranampasika, miditra fanadihadiana kosa ny Bd Ratsimilaho amoron-dranomasina. Ho an’ny lalam-pirenena kosa dia efa nahazo famatsiam-bola 7 tapitrisa dolara tamin’ny banky iraisam-pirenena ny RN4 ary efa mandeha ny tolo-bidy mikasika ny asa fanarenana hataon’ny FER kosa nyRN2 – RN7 – RN5.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.