Nitondra fanazavana momba ny fanamboarana ny lalan’i Soanindrariny ny filohan’ny OPCI Mazava, ny Ben’ny tanŕnan’ny Kaominina Ambatomena, Atoa Rakotomalala Yves Richard manoloana ny kiana nahazo azy ireo mikasika ny fanamboarana iny “lalan’ny Paoma” iny.
Nolazainy tamin’izany fa 60 tapitrisa Ariary monja ny vola nentina niasa avy tamin’ny fandaharanasa Matoy ka anjaran’ny Kaominina mahazo tombontsoa no mandray anjara amin’ny tokony ho fanampiny. Noho izany dia nisy ny antso nataon’ireo tompon’andraikitra tamin’ireo mpampiasa lalana mba hifanome tanana saingy na Ariary aza tsy nisy nanome. Ireo tena potika, araka izany, no novonjena namboarina tamin’ny vola teo am-pelatanana ka mba azo nampiasaina ihany ny lalana. Nohamafisiny fa tsy mbola vita ny lalan’i Soanindrariny fa mbola mitohy ny ezaka ka misy ny fepetra horaisin’izy ireo dia ny famerenana ny “Barrière de Pluie” ao amin’ny Kaominina Tsarahonenana sy Ambohidranandriana izay ho hentitra ny fanaraha-maso amin’izany. Hisy ihany koa ny sara-pandalovana na “Taxe de roulage” tsy maintsy halohan’ny mpampiasa ny lalana mba hitohizan’ny fikojakojana ny lalana haharitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.