Actualités

“Lalan’ny Paoma” - Antsirabe II 60 tapitrisa Ariary monja no nanavaozana azy


  • Alarobia 28 Janoary 2015

Nitondra fanazavana momba ny fanamboarana ny lalan’i Soanindrarina ny filohan’ny OPCI Mazava, ny Ben’ny tanŕnan’ny Kaominina Ambatomena, Atoa Rakotomalala Yves Richard manoloana ny kiana nahazo azy ireo mikasika ny fanamboarana iny “lalan’ny Paoma” iny. Nolazainy tamin’izany fa 60

 

tapitrisa Ariary monja ny vola nentina niasa avy tamin’ny fandaharanasa Matoy ka anjaran’ny Kaominina mahazo tombontsoa no mandray anjara amin’ny tokony ho fanampiny. Noho izany dia nisy ny antso nataon’ireo tompon’andraikitra tamin’ireo mpampiasa lalana mba hifanome tanana saingy na Ariary aza tsy nisy nanome. Ireo tena potika araka izany no novonjena namboarina tamin’ny vola teo am-pelantanana ka mba azo nampiasaina ihany ny lalana. Namafisiny fa tsy mbola vita araka izany ny lalan’ny Soanindrarina fa mbola mitohy ny ezaka ka misy ny fepetra ho raisin’izy ireo dia ny famerenana ny “Barrière de Pluie” ao amin’ny Kaominina Tsarahonenana sy Ambohidranandriana izay ho hentitra ny fanaraha-maso amin’izany. Hisy ihany koa ny saram-pandalovana na “Taxe de roulage” tsy maintsy ho alohan’ny mpampiasa ny lalana mba hitohizan’ny fikojakojana ny lalana haharitra. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT