Actualités

Lalan-kely mampitohy an’i Namontana sy fasan’ny karana Nasiam-panamboarana nanomboka omaly


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Nasiam-panamboarana nanomboka omaly ilay lalan-kely mamakivaky tanŕna miainga etsy amin’ny amin’ny fiolanana etsy Namontana mandalo Nanahazana miazo ny fasan’ny karana izay hifamezivezen’olona manodidina ny 4.000 isa isan’andro.

 

Ny fokontany Anosibe angarangarana no nahazo ny famatsiam-bola tamin’izany, fanomezana avy amin’ny ONU Habitat izay efa fanindroany izao raha araka ny fanazavan’ny filoham-pokontany Maharitra Ali Petera. Lalana mirefy 200 metatra no hamboarina amin’izany izay lasibatry ny rano foana rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, hakarina hatrany amin’ny 90 metatra ny haavony ary hatao beton iray manontolo. Ny orinasa Maefa no hanao ny asa  izay haharitra hatrany amin’ny 90 andro any ho any. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny mponina eny amin’iny faritra iny, raha araka ny fanadihadiana natao izay tsiahivina fa mandeha lakana mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.  Olana kely ho an’ireo mpanamboatra lalana moa nanomboka omaly ny fisian’ireo karazan’olona mafy loha tsy manaiky ny fanapahana ny lalana mba hahafahana mamita ny asa raha eo ihany koa ny fisian’ireo olona sasany manararaotra mitaky 200 Ar amin’ireo olona mampiasa ny lalana amin’ny faritra misy azy. Tonga nijery akaiky ny fizotry ny asa teny an-toerana ny delegen’ny boriborintany faha-efatra Ratsisetraina David, notronin’ny filoham-pokontany ao an-toerana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT