Actualités

Lalan’Itaosy Mila jerena akaiky fa ho avy ny fahavaratra


  • Talata 29 Septambra 2015

Mitaraina ny mponina eny Atsimondrano eny ankehitriny noho ny haratsin’ny lalana mampitohy azy amin’ny renivohitra. Ny mankany Itaosy sy ny manodidina iny no tena voa mafy.

 

Ny arofanin’ny tetezana etsy Ampasika sy ny lalan-tara hiakatra an’Anosimasina no namboarimboarin’ny antokon’ny fitondrana tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra dia izay. Manomboka eo, mandalo ny toby fizaran-dasantsy Jovenna Ambonisoa sy ny Dalina hatreny Andranahoatra mandalo ny Cité des Assureurs sy any rehetra any dia tena tsy hita intsony ny hanambarana ny haratsiny. Raha mitohy izao tsy fikarakarana izao ka ho tratran’ny oram-pahavaratra dia tsy ho hay lazaina intsony ny zava-misy eny amin’ity faritra ity. Hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitondram-panjakana ihany ny hijereny akaiky ity zava-misy ity fa tsy ho variana amin’ny adilahy politika sy ny famingampinganana ara-poto-kevitra lava izao.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT