Rehefa niaina ny haratsin’ny lalana nandritra ny volana maro ny vahoaka teto an-drenivohitra dia nilaza ny PDS Ny Hasina Andriamanjato fa hatomboka amin’ity herinandro ity indray ny fanamboaran-dalana. Efa fanambiny ny hamita ny lalana teto an-drenivohitra tao anatin’ny enim-bolana vao voatendry amin’io toerany io izy tamin’ny martsa 2014
, tsy niherina akory anefa ny taona nitondrany ny tanàna dia vao mainka potika ny lalana. Nilaza izy fa nisy vola mitentina 1 miliara 377 tapitrisa Ar nomen’ny fanjakana hoenti-manana ny fanamboaran-dalana izany. Nalaina tamin’ny volan’ny Kaominina, avy amin’ny “redevance” Jirama mihitsoka ao amin’ny Tarihimbolam-panjakana, ve io sa loharanom-bola hafa mihitsy ? Ny hany voalaza dia hoe entina hamonjena ny fahasimbana tena goavana eto amin’ny tanànan’Antananarivo ny vola ka ireo lalana hita fa miteraka fitohanana aloha no hovonjena amin’izany. Anisan’ireny ny lalana eny Ambohijatovo, Faravohitra ary Ankadivato eo ihany koa ny lalan’Ampasika sy 67ha. Nilaza ny filohan’ny delegasionina manokana ny tanànan’Antananarivo fa dia ao anatin’ny roa na telo volana dia hiova ny tanàna eto Iarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.