Tsy tonga akory ny fotoam-pahavaratra dia efa misy lalana dibo-drano sahady eto an-drenivohitr’i Madagasikara ary mampitahotra sy mampitsapatsapa fiara tsy mataho-dalana ny miroboka ao anatiny.
Tsy lavitra ny tobim-piantsonan’ny fiara-pitaterana nasionaly etsy Antohomadinika no misy ity tranga ity ary anisan’ny lalana be mpampiasa eto an-tanàna izy io. Sao dia mba variana amin’ny zavatra hafa tahaka ny fanjakana foibe koa ary ny tompon’andraikitr’ity tanànan’Iarivo ity e ? Areti-mifindra manko ity fihanahanana sy fitaveraverana ity !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.