Actualités

Lŕlan’Ambatondrazaka Ratsy toy ny talohan’ny taona 2001


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Potika tanteraka ny ampahan-dalana betsaka mampitohy ireo faritra maro manerana ny nosy ankehitriny. Iaraha-mahalala fa tsy tontosa araka ny tokony ho izy ny fikojana azy ireo tao anatin’ny krizy lavareny noho ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Manampy trotraka ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa ihany koa ny fotoam-pahavaratra izay firotsahan’ny orambe sy fiavian’ny rivodoza. Zava-pitranga matetika moa ny fahatapahan’ireo lalam-pirenena samihafa eto Madagasikara tahaka ny mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka. Mitohy hatrany kosa ny asa fitaterana sahanin’ireo kaoperativa miisa 18 mizotra mankany amin’ny faritra Alaotra Mangoro iny. Azo ampitahaina tamin’ny talohan’ny taona 2001 ny faharatsian’ny lalan’Ambatondrazaka, hoy ireo mpitatitra. Tokony hojeren’ny fitondram-panjakana manokana ny mikasika ireo fiarabe an-jatony ampiasain’ny orinasa Kraoma mivezivezy isan’andro any an-toerana izay antony iray tsy mampaharitra ny lalana, araka ny soso-kevitr’ireo mpitatitra ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT