Actualités

Lalam-pirenena Nahatratra 20 ny lalana tapaka nandritra ny rivodoza


  • Zoma 30 Janoary 2015

Nahatratra 20 isa ny lalana tapaka tany amin’ny lalam-pirenena nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Chedza teto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka omaly

 . Mitentina 8 miliara ny tentim-bidin’izany ka anisan’ireny ny lalam-pirenena faha-34 izay tapaka saingy efa amboarina amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny lalam-pirenena fahafito sy ny lalam-pirenena fahenina izay simba ary efa amboarina ihany koa. Ny vondrona Eoropeanina avokoa no namatsy vola ireo rehetra ireo. Na izany aza dia anisan’ny laharam-pahamehan’ity minisitera ity amin’izao ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 hitazonana ny vidim-bary tsy hiakatra. 2 tapitrisa Euros ny vola efa azo avy amin’ny vondrona Eoropeanina hanamboarana izany ka tetezana miisa fito no tsy maintsy amboarina. Mahatratra 100 tapitrisa dolara kosa ny vola ilaina raha hatao tara iray manontolo ny lalana manomboka eo Marovoay ka hatrany Vohidiala. Mikasika ny tonelina etsy Ambanidia indray dia nomarihiny manokana fa tsy atahorana hirodana taorian’ny tatitra nataon’ireo teknisianina Frantsay sy  Arabo nampandraiketina izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT