Actualités

Lalam-pirenena faharoa Mihoatra ny 100 ireo taksibrosy nampandoavina lamandy


  • Alarobia 27 Janoary 2016

Mihoatra ny 100 hatreto ireo taksibrosy miantsinanana nampandoavan’ny CIR lamandy 70.000 Ar isanisany teo noho eo vao afaka miverina miasa ka velon-taraina, raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Ampasampito

 

. Vokatry ny lalàna tefy maika nataon’ny CIR teny am-pandehanana avokoa no anton’izany toy ny tsy fahafahan’ireo taxi-brousse ireo  mitondra bisikileta, ny broeta, ny tongolo …lalàna izay nambaran’ny filohan’ny koperativa kofima Ralaiarisoa Mamy fa tsy nampahafantarina azy ireo akory hatramin’izay. Vokany,  nanatanteraka fitokonana fanairana ireo mpitatitra ireo ny zoma lasa teo nanaovana antso avo tamin’ny tompon’andraikitra.  Nitohy tamin’ny alalan’ny fivoriana izany ny faran’ny herinandro teo antony, nampivoaka tamim-pomba ôfisialy ny entana azon’izy ireo ho entina sy tsy azony  ka anisan’ireny ny môtô, ny tafo fanitso…mivoaka ny renivohitra miazo ny faritra. Tsiahivina moa fa ny CIR dia mpitandro ny filaminana avy amin’ny ministeran’ny fitaterana nirahina  mba hanara-maso ny taksibrosy miantsinana. Handamina ny fitohanana eto an-drenivohitra  no fantatra fa tena tokony ho asan’izy ireo saingy izy izao lasa nivadika any amin’ny lalam-pirenena faharoa izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT