Sokatra velona valo sy Soavalindriaka na «hippocampes “ milanja 6 Kg no tra-tehaky ny “Brigade Police des Routes” Ambatolampy, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Andrefanambohijanahary.
Teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, fokontany Bemasoandro, kaominina ambanivohitra sady distrikan’Antanifotsy no voasavan’ny mpitandro ny filaminana ny fiara fitateram-bahoaka marika “Mercedes Sprinter” iray nitondra an-tsokosoko ireo harem-pirenena arovana ireo. Tamin’ny mitataovovonan’ny alatsinainy 28 janoary teo no nitranga ny toe-draharaha. Olona telo miaraka amin’ny mpanamory no tao anatin’ilay fiara. Efa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana avokoa izy ireo. Araka ny loharanom-baovaon’ny zandarimariam-pirenena avy eo amin’ny Toby Ratsimandrava hatrany, fantatra fa avy any amin’ny Faritanin’i Toliara hihazo ny renivohitra ny zotran’ireto mpanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena ireto. Efa nogiazan’ireo tompon’andraikitra avokoa ireo entana. Mbola mitohy ny fanadihadiana ireo olon-dratsy sy ireo volo ngita mifandray tendro amin’izy ireo, indrindra ny atidoha mikotrika izao trafikan’ny harem-bahoaka arovana izao. Marihina fa tsy vitsy ireo tratra tamin’ny ady goavana fanondranana an-tsokosoko zava-boary lafo vidy arovana toy itony, saingy mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro ny tohin’ny raharaha sy ny tena tompon’ny ketrika.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.