Actualités

Lalam-pirenena faha-7 Hamboarina tanteraka


  • Zoma 29 Janoary 2016

Raikitra ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7 mampitohy an’Antananarivo amin’i Fianarantsoa. Be loatra mantsy ny fahasimbana sy ny lavadavaka ka izay no nahatonga ny fitondram-panjakana tsy maintsy miroso amin’ny fanamboarana.

 

Mitsidika faritra maro amin’iny RN7 iny ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka, nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny manampahefana, indrindra fa ireo mpampiasa lalana. Nomarihany fa tompon’andraikitra feno ihany koa amin’ny fikojakojana sy fikolokoloana ny lalana ny mpampiasa azy, ka ny fanajana ny lalàna no voalohany, indrindra ny amin’ny vesatry ny fiara. Anisan’ny tena ratsy ny lalana mampitohy an’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa ka mila teknika manokana ny fanamboarana azy. Nanamafy ihany koa ny minisitry ny asa vaventy fa tahaka ireo tanàn-dehibe rehetra manerana ny nosy dia hamboarina tanteraka ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Volan’ny fanjakana Malagasy ny ampahany betsaka miasa amin’izao fanamboaran-dalana any amin’ny RN7 izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT