Actualités

Lalam-pirenena faha-6 Rongony 1 kilao sy basy vita gasy iray no saron’ny zandary


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Tsy fantatra mazava izay olona saika hikasa hitondra an’ireo rongony milanja 1kilao sy basy vita gasy iray ho any Mahajanga ireto.

Teny amin’ny lalana mampitohy an’i Mampikony sy Ambondromamy iny no nahitana azy io, ka ny mpitandro ny filaminana izay avy nanao fisafoana tany an-toerana no nahatsikaritra azy ireo. Raha ny fanazavana azo dia saika amidy aty Mahajanga ireo zava-mahadomelina satria dia nisy tamin’izy ireo no efa vita fono tao anatin’ny taratasy. Ilay basy hita dia olona avy nanafika no nanipy azy tao anatin’ny bozaka. Mandeha, araka izany, ny fanadihadiana mikasika ireo zava-mahadomelina sy io basy hita teny amin’ny sisin-dalana io. Nahazo vahana tao Mahajanga ny tsy fandriampahalemana tamin’ ny faran’ny herinandro iny ka tokony ho mailo ny rehetra ary hampandre ny mpitandro ny filaminana ihany raha mahatsikaritra zavatra hafahafa eny amin’ny fiarahamonina. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT