Ny faran’ny herinandro teo, dia tapaka nandritra ny telo andro teo ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga amin’Ambatondrazaka. Teo anelanelan’i Mandrota sy Andaingo no nisy izany noho ny faharatsian’ny lalana vokatry ny fandalovan’ireo fiarabe diso tafahoatra tsy mifanaraka amin’ny vesatra zakan’ny lalana sy ny toetr’andro
. Nisedra olana ireo taksiborosy sy ny fiara madinika noho izany, satria voatery mivily lalana sy mamorona fivilian-dalana ahafahana manohy ny dia. Tao indray ireo niaina tamin’ny fiampitana fiara. 30.000 Ar eo ho eo no alain’ireo andian’olona mampita ka fitarihana amin’ny tady matanjaka sy fampiasana angady ary tosika ara-tsandry no amoahany ireo fiara amin’izany ampahan-dalana izany. Nisy ny fianakaviana izay handeha handevina no tavela teo, ka ny ranomasom-pahoriana milatsaka, ny alahelo mahazo nampirotsa-dranomaso fanampiny. Nisy ireo fiara no simba mihitsy ka tafajanona eny anaty honahona sy latsaka an-davaka ka dia miandry fanavotana eo. Ny alahady maraina tamin'ny 5 ora teo vao nisokatra ny lalana, rehefa nosorohina ireo fotaka ary vita ny fanamboarana vonjimaika ny fivilian-dalana. Miandry sy mitaraina amin’ny mpitondra ireo mpampiasa iny lalam-pirenena faha-44 iny, ny hijerena manokana azy io mba hampiaina ny fivezivezena ara-pifaliana ho an’ny vahoaka sy ny mpitatitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.