Actualités

Lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 Efa nisokatra avokoa


  • Zoma 12 Febroary 2016

Efa nisokatra nanomboka ny alatsinainy teo avokoa ireo lalana tapaka tany amin'ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina raha araka ny tafa nifanaovan'ny Minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka tamin'ny mpanao gazety omaly.

 

Nisy mantsy ny fametrahana tetezana vonjimaika nataon'izy ireo izay hiasa tsy miato mandritra ny 15 andro. Eo an-danin'izay dia efa mandeha  ihany koa ny asa fanamboarana ny lalana simba izay haharitra  telo volana, vatsian'ny vondrona Eoropeanina vola. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny mpampiasa lalana, hoy hatrany izy, indrindra fa ireo fiara mpitatitra solika sy mpitondra vokatra mivezivezy mihazo iny faritra iny. Na izany aza anefa dia notsindriany fa toerana miisa dimy no mbola ahiana hisy fahatapahan-dalana mandritra ity volana febroary any amin'iny lalam-pirenena fahefatra iny ka ilana fitandremana. Antony dia ny fisian'ireo olona mangalatra an-tsokosoko ireo bizo milevina ambanin'ny tany ka mampihotsaka ny fotodrafitrasa. Tsiahivina moa fa ho an'ny lalam-pirenena fahefatra manokana dia saika nihotsaka hatrany afovoan'ny arabe mihitsy ny lalana noho ny fisian'ireo lavabe roa tamin'ny an-daniny sy ny an-kilany avy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT