Actualités

Lalam-pirenena faha-4 Ahiana ho tapaka tanteraka


  • Talata 01 Martsa 2016

Hasorenana ny an’ireo mpampiasa ny RN4 ny faran’ny herinandro teo, hatramin’ny omaly alatsinainy maraina noho ny fitohanana be vokatry ny kamiao

 

nihitsoka teo amin’ilay fivilianan-dalana manandrify ny lalana tapaka, alohan’ny hahatongavana an’Ankazobe raha hidina any Mahajanga ary 70km eo avy eto an-drenivohitra. Misy fiarabe misisika handeha foana eo amin’ilay lalantany “deviation” izay mandrevo be noho izy io vao nototofana tany ary ny orana koa etsy an-daniny avy matetika. Fiara an-jatony avy an-daniny sy an-kilan’ilay lalana tapaka no nihitsoka teo omaly. Ny zoma alina no efa nisy kamiao nihitsoka teo ary lalana tery zara azo nisisihana no nandehanan’ireo fiara madinika sy taksibrosy. Mbola nisy an’io tranga io koa ny sabotsy sy alahady alina tany amin’ny misasakalina tany.  Tratra maraina teo avokoa ireo fiara rehetra nandeha ny alin’io alahady io ka omaly maraina vao niezaka nitady vahaolana vonjimaika nanototra tany sy fasika ary vato ilay lalana feno fotaka mandrevo. Taorian’izay vao afaka tsikelikely ireo fiara. Afaka teo ihany koa ilay kamiao lavabe feno entana nibahan-dalana rehefa nihamaina ny andro. Ahiana ny mety hampihotsaka ny lalana amin’io toerana io ka hahatapaka azy tanteraka satria ny orana avy matetika, ireo fiara lehibe tsy voafehy hiditra eo nefa ny asa fanamboarana mbola hitarazoka. Tsy nahatazanana mpiasa sy fitaovana mba vonombonona hanao ny asa akory mantsy teo an-toerana. Nandeha vetivety teny an-toerana ny varotra mofo tokony hamidy tany Ankazobe. Maro koa ireo hamonjy asa taty Antananarivo no nimenomenona noho ny fahatarana. Toa tsy tsapan’ny mpitondra sy ireo fiarabe mbola minia manimba ilay lalana kely sisa azo ampiasaina akory ny fatiantoka goavana ara-toekarena vokatry ny fahatapahan’io lalam-pirenena io.

Rasanda Serge  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT