Tapaka nandritra ny fotoana vitsy ny lalam-pirenena faha-2, teo anelanelan’Ambanitsena sy Carion ny faran’ny herinandro iny.
Nobahanan’ireo fiara mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, mihazo an’i Moramanga ny lalana nanehoan’izy ireo ny hatezerany amin’ny antsojay ataon’ireo zandary bemôtô misava amin’iny lalam-pirenena iny, indrindra ny fitakiana vola isak’izay mandalo na ara-dalàna izao aza ny taratasin’ny fiara. Niteraka fanelingelenana ny fifamoivoizan’ny fiara tamin’iny lalam-pirenena iny, ny fisian’ity hetsiky ny mpitatitra ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.