Efa voarafitra ny politikan’ny fiompiana omby amin’ny hanadiovana io seha-pihariana anisan’ny miantoka ny fampandrosoana eto Madagasikara io fa ny vola hampiharana azy no tsy mbola ampy,
hoy Ramparany Anthèlme, Minisitry ny fiompiana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Imasoan’ny minisitera, hoy izy ny hanadiovana sy hiadiana amin’ny fanadiovana ny omby halatra. Programan’asa izay iarahan’ity minisiteran’ny fiompiana ity miasa amin’ny minisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny vola ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria. «Raha vita io fanadiovana sy fiarovana ny lalam-pihariana fiompiana omby io dia tsy atahorana ny hahalany tamingana azy», hoy ny minisitra.
Raha ny antontanisa farany dia tombanana ho 4,5 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny omby vavy eto Madagasikara ary toy izany koa ny isan’ny lahy. Mitombo 2 tapitrisa isan-taona ny isan’ny omby eto. Manjifa omby 900 hatramin’ny 1 000 isan’andro ny Malagasy manerana ny nosy ka ny 300 hatramin’ny 400 amin’ireo lanin’ny eto an-drenivohitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.