Actualités

Lalam-pihariana lavanila In-droa mahita ny maizina


  • Sabotsy 12 Martsa 2016

Sady nitotongana ny vidiny noho ny haratsin’ny kalitaony, no mbola lasibatry ny mpangalatra indray koa.

 

 In-droa mahita ny maizina ny lavanila Malagasy, vokatra izay nanjaka tokana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena noho ny hatsaran’ny kalitaony. Hosoka nataon’ny Malagasy ihany, vokatry ny fanasisihana fantsika mba hanenjehana lanja sy fampifangaroana lavanila tsy matoy, no nampietry ny lazany. Tsy nitsaha-nitotongana ny vidiny, ary nihena nanaraka izay koa ny vokatra. Raha tokony ho 3 000 taonina no antenaina amin’ity taom-piotazana 2016 ity, dia ahiana tsy hisy afa-tsy ny antsasany izany amin’ny afitsoky ny mpangalatra, mioty maitso ny lavanila any an-tsaha. Misy ny atrikasa savaranonando momba azy ity tanterahina etsy Anosy hatry ny omaly, ary hitohy anio, hikarohana vahaolana hamerenana amin’ny lazany indray ny lavanila Malagasy. Efa misoko mangina mantsy ny vokatra avy amin’ireo firenena mpifaninana, toa an’i Vietnam, Ouganda ary Inde.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT