Hafahafa ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, hoy ny filohan’ny antoko “Leader Fanilo”,
Lalaina Berthnès eto amin’ny faritanin’Antananarivo miara-dia amin’Andriamatoa Rabesa Zafera Antoine, nandritry ny tafa nifanaovana taminy tetsy amin’ny fonenany etsy Antaninandro omaly. Ny zava-misy dia ny mpampiasa indray eto no matahotra ny mpiasa. Ny vahoaka Malagasy dia mahaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpitondra. Raha any Frantsa na Etazonia no misy sorabaventy 10 mirantiranty manoloana ny mpiasam-panjakana dia efa miari-tory daholo ny manampahefana mitady vahaolana satria tena mahatsiaro ho mpiasam-bahoaka, hoy izy. Ny eto amintsika raha vao misy manampahefana mandalo dia miondrika ny madinika. Itovian’ny aty afrika moa ny hoe rehefa elaela teo amin’ny fitondrana dia lasa be hatoka sy be takolaka fa ny any amin’ny tany mandroso dia ny mifanohitra amin’izany. Mila tonga saina sy mahatsapa tena ho tompon’i Madagasikara isika ary ny mpitondra no tokony hanao izay mahametimety antsika.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.