Actualités

Lakandranon’i Mozambika Misy andro ratsy miforona


  • Talata 19 Febroary 2019

Araka ny voalazan` ny foibe mpamantatra ny toetr`andro, misy andian-drahona matevina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izay mitondra orana betsaka sy rivotra mahery mety hahatratra 45 km/ora ary mety hihoatra ny 60 km/ora

 

 

 indraindray any amin’ny Faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy. Noho izany dia iangaviana ireto distrika voalaza manaraka ireto mba hampihatra avy hatrany ny fepetra. Momba ny filazana miloko maitso : Besalampy, Maintirano, Antsalova, Belo Tsiribihina, Morondava, Mahabo, Manja, Morombe, Toliary I II, Betioky Atsimo, mpanihy, Bekily, Beloha, Ambovombe ary Tsihombe. Eny an-dranomasina ny onja dia mety hahatratra 3 m hatramin’ny 5 m noho izany dia iangaviana ireo mpanjono an-dranomasina mba hitandrina. Tsy misy na inona na inona azo atao rahateo hanakanana ny rano tsy hiakatra fa ny fiomanana mba hampihena ny loza sy ny voina ihany no fepetra azo raisina. Ho an`ny eto an-drenivohitra dia ahiana indray ny fisian`ny tondra-drano ka mila tandremana ny fefiloha fa mety tsy hahazaka. Mila miala amin`ny faritra iva ihany koa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT