Actualités

Lakandranon’i Mozambika Manomboka miforona ny rivodoza


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Tany amin’ny 700 km Andrefan’i Toliara no misy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.

Tombanana hitombo hery ka mety ho lasa rivodoza izy ao anatin’ny 36 ora ho avy, hoy ny fampitam-baovaon’ny sampandraharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro ny tolakandron’ny sabotsy 19 janoary teo. Nahazo anarana omaly tamin’ny 12 ora antoandro izy io. 15km/ora ny fandehany, arahina tafio-drivotra ka tafiditra tao anatin’ny sokajy « Tempete tropicale modérée » mitondra ny anarana « Desmond ». Mitondra rivodoza manodidina ny 95km/h izy io. Omaly tamin'ny 3 ora tolakandro dia tany amin'ny manodidina ny 500 km avaratra andrefan'i Toliara no nisy ny ivony. Raha ny tomban'ireo mpamantatra ny toetr'andro dia hiditra an-tanety ao Mozambika izy io afaka 48 ora eo, izany hoe mety rahampitso. Mila manaraka hatrany ny fivoaran'ny toetr'andro isika satria mbola mety hisy ny fiforonan'ny rivodoza hafa ao amin'ny lakandranon’i Mozambika. Mila mitandrina ireo mpampiasa ranomasina, indrindra ny any Atsimo Andrefana fa mety hahery ny ranomasina. Mbola manan-kery hatrany ny filazana amin’ny fahabetsahan'ny rotsak'orana (fanairana miloko mena) ho an'ny faritra SAVA, DIANA ary SOFIA. Loko mavo ho an'ny faritra Boeny, Betsiboka, Melaky, Analamanga, Bongolava.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT